06/04/2026
Joyeuses Pâques daholo isika rehetra!
Somary nifamaly tamin'olona vao maraina de MBA hametraka hafatra kely ho an'izay mpanaraka ato.☺️
Izahay an, de tena miezaka manome ny maximum. Studio familial avec cuisine équipée ny tolotra misy ato aminay,
80 000ar/nuitée.
Miezaka izahay am'lafiny maro:
- Hygiène: (fahadiovana tena tsy ataonay ambaninjavatra, afaka manao témoignage ETO izay efa nivahiny tao aminay)☺️.
- Réactivité: miezaka mitondra valiny foana izahay ary mamaly mp sy appel na amin'ny ora fahafiry na amin'ny ora fahafiry.
- Service: miezaka ho serviables am'clients izahay na de misy fangatahana tsy ao anaty tolotra aza indraindray fa ho fanomezana fahafahampo sy fidélisation clients.
- Ara-bola: efa misy conditions apetrakay am'resaka remboursement sns. Raha manao annulation 2 semaines mialohan'ny datinareo ianareo de averinay tanteraka ny acompte. Afaka manao témoignage ETO ireo olona nahazo remboursement fa ni annuler réservation tato aminay. Fa kosa, mila fahamatorana Ilay manao réservation, indrindra indrindra rehefa haute saison, fa tsy hoe miovaova hevitra foana ianareo de hovaovaina foana koa Ilay daty satria mety tsy ho possible izany indrindra raha efa mandritra ny séjour. Fa indrindra efa mametraka mazava izahay fa izay daty rehetra no bloquenareo de alohanareo vola.
De ataonay mangarahara foana ny resaka ary ny honnêteté de tena zava-dehibe aminay.
Ary farany, MBA jereo ihany hoe mifanaraka am'lay vola alohanao ve Ilay service sy faveur angatahanao fa tsy hoe vola alohanao
80 000ar/nuitée pour 07 pers na mety mbola latsaka aza, nefa ianao mila service am'tarif 500 000ar/nuitée.☺️
Mankasitraka antsika rehetra am'fahatokisana.