Hotely Tsara Hafatra - HTH

Directions

Hotely Tsara Hafatra - HTH Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Hotely Tsara Hafatra - HTH, Hotel, Amboasary gara, Amboasary-Gara.

02/11/2026
Nianatra an-taonany maro isika mba hahazoana asa. Fa ho an’ny fanabeazana ny zanatsika, inona no mba nianarantsika?Nisy ...
29/10/2026

Nianatra an-taonany maro isika mba hahazoana asa.
Fa ho an’ny fanabeazana ny zanatsika, inona no mba nianarantsika?

Nisy lesona, fanazaran-tena ary fanadinana nanomanana antsika hiasa.

Fa rehefa tonga ray aman-dreny isika, nianatra nihaino zanaka ve isika?

Taiza no nianarantsika nametraka discipline? hifehy hatezerana ary hanitsy amin’ny fomba tsy handratra?

Sa ny hoe « izany no nitaizana ahy » dia averintsika fa ampy ve izany?

🫵 Misy teny nolazaintsika tamin’ny hatezerana mety efa hadinontsika. Ny zanatsika kosa mbola mitondra ny vesatr’iny ratra notenenin-tsika iny.

🫵 Misy fahanginana heverintsika ho fanajana antsika; kanefa mety misy horohoro ao ambadik’iny.

Mampanahy ny zava-misy eto Madagasikara…

Araka ny fanadihadiana MICS 2025 nataon’ny INSTAT sy ny UNICEF:

🚥 85% amin’ny ankizy no iharan’ny fomba famaizana misy herisetra.
🚥 42% amin’ny vehivavy 20 hatramin’ny 24 taona no efa nanambady talohan’ny faha-18 taonany.

Mila mandray andraikitra ny Fanjakana, ny sekoly ary ny fiarahamonina….
Ary mila mandinika ny anjarantsika ao an-trano koa isika RAD.

Mora loatra ny milaza hoe: « Mihasimba ny tanora. »
Fa inona no ohatra hitany amintsika?

Aza adino fa misy RAD mahatonga ny zanany olom-banona.
Ary misy RAD manabe zanaka mba hameno fonja, hivarotena sy hivarilavo... na dia tia zanaka be daholo ary ireo RAD ireo.

Izany no ilàna ny École des parents — sekolin’ny ray aman-dreny.

Hianarana ny filàn’ny ankizy arakaraka ny taonany. Hianarana hametra fetra mazava, hiresaka lohahevitra sarotra, hamantatra rehefa mila fanampiana ny zanaka, ary hiara-hiasa amin’ny mpanabe.

Tsy ampy ny « fitiavana » ho an’ny zanatsika fa mila arahina "fahaiza-mitaiza".

Ny fampandrosoana firenena dia manomboka amin’ny fanabeazana taranaka vanona.
Ireo ankizy tezaina anio ireo no handray andraikitra eto amin’ny firenena rahampitso.

Ho atombokay eto amin’ny fb aloha ity projet ity… ho hitantsika miandalana eo raha mafana amin’izy ity ianao!!

📝M.Mahaomby

Mahaiza mankasitraka ny effort vitanao.Mahaiza midera ny ezaka nataonaoMahaiza mifaly amin'ny dingana vitanao.Aza miandr...
26/10/2026

Mahaiza mankasitraka ny effort vitanao.
Mahaiza midera ny ezaka nataonao
Mahaiza mifaly amin'ny dingana vitanao.

Aza miandry olona hiteha-tanana isaky ny manao zavatra.
Tsy izay hahafaly olona akory no tanjona.

Andriamanitra rehefa nanao an'izao tontolo izao dia tsy niandry olon-kafa hidokadoka azy fa izy ihany no nidoka ny tenany.
Izay zavatra rehetra nataony dia hoy izy hoe:
-Tsara ity hazavàna ity.
-Tsara ity habakabaka ity
-Tsara ity ranomasina ity

Namana,
Raha hiandry olona hanatsara anao sy hidokadoka ny zavatra vitanao ianao dia amin'ny fotoana ianao tsy eto an-tany intsony.
Efa maty ianao vao tsara amin'olona.

Aza miandry approbation-ny hafa.
Mahaiza midoka tena.
Mahaiza midera tena raha mbola velona.

Ny parcours vitanao dia afaka hiweraweranao mihitsy.

Asa vita no hifampitsarana.

📝J.Razafindralema

💔 𝗥𝗘𝗛𝗘𝗙𝗔 𝗧𝗦𝗬 𝗠𝗔𝗡𝗔𝗡𝗔 𝗙𝗢𝗧𝗢𝗔𝗡𝗔 𝗛𝗢 𝗔𝗡'𝗡𝗬 𝗭𝗔𝗡𝗔𝗞𝗔𝗢 𝗜𝗔𝗡𝗔𝗢 :1. Mety hihena ny fifandraisanareo.Mety tsy hahatsapa ho akaiky sy m...
22/10/2026

💔 𝗥𝗘𝗛𝗘𝗙𝗔 𝗧𝗦𝗬 𝗠𝗔𝗡𝗔𝗡𝗔 𝗙𝗢𝗧𝗢𝗔𝗡𝗔 𝗛𝗢 𝗔𝗡'𝗡𝗬 𝗭𝗔𝗡𝗔𝗞𝗔𝗢 𝗜𝗔𝗡𝗔𝗢 :

1. Mety hihena ny fifandraisanareo.
Mety tsy hahatsapa ho akaiky sy mifandray aminao tahaka ny teo aloha intsony ny zanakao.

2. Mety ho sarotra aminy ny mizara ny fihetseham-pony.
Rehefa tsy zatra miresaka aminao izy, dia mety ho sarotra aminy ny milaza izay mampalahelo, mampatahotra na mampanahy azy.

3. Mety hitady firaharahiana amin’ny fomba hafa izy.
Manao fihetsika na fiteny tsy mendrika izy mba hahatonga anao hifantoka aminy.

4. Mety tsy hahafantatra tsara ny tontolony ianao.
Rehefa tsy miresaka sy tsy miara-manao zavatra aminy ianao, dia mety tsy hahalala izay mampifaly azy, izay atahorany, na ireo olana sedrainy isan’andro.

5. Mety ho sarotra ny hanangana fifampitokisana aminy.
Rehefa tsy mihaona matetika ianareo dia tsy hahatsapa fa afaka manatona izy rehefa mila fanampiana na torohevitra.

📝M.Fototra

🚫 𝗜𝗥𝗘𝗢 𝗙𝗘𝗛𝗘𝗭𝗔𝗡𝗧𝗘𝗡𝗬 𝗙𝗔𝗛𝗔𝗩𝗔𝗟𝗢𝗡'𝗡𝗬 𝗙𝗔𝗡𝗔𝗕𝗘𝗔𝗭𝗔𝗡𝗔 :- “Zaza adala mihintsy ianao.”- “Tsy mahay na inona na inona ianao.”- “Fa m...
20/10/2026

🚫 𝗜𝗥𝗘𝗢 𝗙𝗘𝗛𝗘𝗭𝗔𝗡𝗧𝗘𝗡𝗬 𝗙𝗔𝗛𝗔𝗩𝗔𝗟𝗢𝗡'𝗡𝗬 𝗙𝗔𝗡𝗔𝗕𝗘𝗔𝗭𝗔𝗡𝗔 :

- “Zaza adala mihintsy ianao.”

- “Tsy mahay na inona na inona ianao.”

- “Fa maninona ianao no tsy mba manao tahaka ny rahalahinao/rahavavinao?”

- “Tsy ho tafita mihitsy ianao.”

- “Izany avy dia mampitomany anao. Zavatra tsy misy dikany izany.”

- “Ianao no fototry ny olana rehetra miseho ato an-trano ato.”

- “Tsy manam-potoana ho anao aho fa tsy hitanao angaha ireo asako ireo.”

- “Tsy hiova mihitsy ianao.”

- “Tsy misy ilana azy ianao.”

- “Mangina fa tsy takatrao izany.”

- “Vendrana/dondrona/tsy misaina ianao.”

- “Tsy zanako intsony ianao raha manao tahaka izany.”

- “Tsy vitanao izany tanjona ngeza be izany fa aza mitonantonana.”

- "..."

📝M. Fototra

MAMORÒNA ASA FA AZA MIANDRY ASA!Mila mamorona asa isika, fa tsy miandry asa avy amin’ny fanjakana na orinasa fotsiny, sa...
16/10/2026

MAMORÒNA ASA FA AZA MIANDRY ASA!

Mila mamorona asa isika, fa tsy miandry asa avy amin’ny fanjakana na orinasa fotsiny, satria tsy ampy ho an’ny rehetra ny asa misy. Raha samy miandry horaisina hiasa isika, iza no hamorona asa ho an’ny hafa?

Tsy voatery hanana fonds be vao afaka manomboka. Afaka mampiasa ny fahaiza-manao ananantsika, mamaha problème eo amin’ny fiaraha-monina, na manomboka amin’ny varotra madinika isika.

Aza menatra manomboka amin’ny kely, fa matahora ny mijanona tsy manao na inona na inona noho ny tahotra.

Mila faharetana, fahavononana, fifehezana ny vola ary fikirizana ny fandraharahana.

Aoka isika tsy ho mpitady asa fotsiny, fa ho mpamorona asa sy mpandray anjara amin’ny fampandrosoana.

Ny hoavintsika dia aorina amin’ny ezaka ataontsika anio.

📝H.Francis

🩸LE SILENCE EST LA MEILLEURE VENGEANCE.🩸LA DISPARITION EST LA MEILLEURE PUNITION.Tsy voatery hitabataba ianao.Tsy voater...
01/10/2026

🩸LE SILENCE EST LA MEILLEURE VENGEANCE.

🩸LA DISPARITION EST LA MEILLEURE PUNITION.

Tsy voatery hitabataba ianao.
Tsy voatery hanazava.
Tsy voatery hanaporofo na hanamarin-tena.
Rehefa misy olona manahirana anao, aleo tsy miteny na inona na inona.
👉 Aza manompa.
👉 Aza mamaly faty.
👉 Aza mandeha mitantara amin’ny olona rehetra izay nataony taminao.
👉 Mialà.
👉 Akombony ny vava.
👉 Akatony ny varavarana.
👉 Bloquéo raha ilaina.
👉 Aza atao mahita mangirana aminao intsony

Nahoana?
Ny fahanginanao no hampieritreritra azy.
Ny fialanao no hahatonga saina azy.

👉 Hifoha maraina izy ka hahatsiaro fa tsy eo intsony ianao.
👉 Tsy mahita ny story anao intsony.
👉 Ianao koa tsy manao réaction intsony.
👉 Tsy manontany vaovao intsony.

Avelao izy hiatrika ny feon’ny fieritreretany.
NY FAHANGINANA NO VALIFATY TSARA INDRINDRA.

REHEFA TSY MISY NY TENY NOLAZAINAO DIA HO FOANA HOAZY KOA NY DIKA VILANA

Mirary andro mahafinaritra ho anao. 🌿

📝T. R. Arinirainy, Mpitandrina

IZAY TONGA ALOHA, ARABAINA. -Nanao mariage ve ny namanao? Tsy motifs tokony hamakianao boatin-drakitra hanaovanao mariag...
28/09/2026

IZAY TONGA ALOHA, ARABAINA.

-Nanao mariage ve ny namanao?
Tsy motifs tokony hamakianao boatin-drakitra hanaovanao mariage izany.

-Nanangana trano ve ny namanao?
Tsy motifs tokony hitrosanao vola amin'ny banky hanangananao ny anao izany.

-Nahavidy fiara ve ny namanao?
Tsy motifs tokony hamarotanao ny fanananao hividiananao ny anao izany.

Lasa aloha be ve ny namanao?
Tsy motifs tokony hampikoropadropaka anao velively izany.

Aza mifaninana amin'ny hafa.
Aza mampitaha ny fiainanao amin'ny fiainan'ny hafa.
Manaraha ny rythme-nao manokana.

Mahaiza miaina amin'ny ambaratonga misy anao androany fa aza manao tamàna amin'ny misy anao androany.
Mahaiza mifaly amin'ny teboka misy anao androany fa aza mihonona amin'ny teboka misy anao androany.

Manaova bilan dia dinio hoe:
Taiza no nisy anao dimy taona lasa?
Aiza no misy anao ankehitriny?
Dia hoaiza ianao amin'ny dimy taona manaraka?

Ahitsio izay tsy nety.
Tehirizo izay tsara.
Ataovy sarisary an-tsaina ny famirapiratan'ny rahampitsonao.

Tsy ny namanao no hifaninanao fa ny tsara vitanao omaly.
Sahia manatsara sy manao ny tsara.

📝J.Razafindralema

Maro ny olona manome torohevitra antsika.Ny ray aman-drenintsika.Ny havantsika.Ny namantsika.Ary ireo olona akaiky antsi...
23/09/2026

Maro ny olona manome torohevitra antsika.

Ny ray aman-drenintsika.
Ny havantsika.
Ny namantsika.
Ary ireo olona akaiky antsika.

Tsara izany. Tsy ratsy mihitsy.

Fa tsy voatery ho raisinao daholo izay torohevitra omena anao.

Satria matetika, ny torohevitra omen’ny olona dia avy amin’ny zavatra fantany, hitany na niainany.

Izany hoe, miankina amin’ny traikefany.

Ka raha te hahalala momba ny vola ianao, manatòna olona tena mahay mitantana vola.

Raha te hahalala momba ny fivavahana ianao, manatòna olona manana fahalalana lalina momba izany.

Ary raha te hahalala momba ny orinasa ianao, manatòna olona efa manana sy mitantana orinasa.

Tsy midika izany hoe tsy manan-danja ny torohevitr’ny olona akaiky anao.

Fa fantaro hoe:

Tsy ny olona rehetra no tokony ho mpanoro anao amin’ny zavatra rehetra.

Mifidiana tsara izay olona hianaranao.
Satria mety ho tsara ny torohevitra, nefa tsy voatery ho mety aminao.

📝V. Millionnaire

TOHANO BEBE KOKOA AMIN’NY ZAVATRA MAHALIANA AZY NY ZAZA Sahabo eo amin’ny fahasivin’ny taonany no manomboka misongadina ...
23/09/2026

TOHANO BEBE KOKOA AMIN’NY ZAVATRA MAHALIANA AZY NY ZAZA

Sahabo eo amin’ny fahasivin’ny taonany no manomboka misongadina ny talenta sy ny taranja mahaliana ny zaza : ny siansa , ny literatiora , ny sary , ny asa tanana , ny fanatanjahantena , sns .

Hoy i Deepack Chopra , mpitsabo no sady mpanoratra malaza :

« Raha tsy mahay matematika ny zaza iray , kanefa mahery amin’ny filalaovana baolina tenisy ; ny ankamaroan’ny olona dia mitady mpampianatra matematika manokana ; fa raha izaho kosa , dia aleoko mampiasa mpanazatra amin’ny baolina tenisy ho an’ilay zaza . »

Matetika tokoa isika no manana fironana hifantoka eo amin’izay mety mampahalemy ny zanatsika raha toa ka tokony hiasa bebe kokoa eo amin’izay mampatanjaka azy ireo isika . Mety mandany vola sy fotoana amin’ny taranja manavia ny zanatsika isika , ka zara raha mihevitra izay zavatra manavanana azy .

Fantaro fa ny zaza tsirairay dia manana zavatra iray farafahakeliny tiany sy manavanana azy . Mampiakatra ny fahatsapan’ny zaza ny tombambidiny ny fanohanana azy amin’ny zavatra mampahomby azy .

📝F.M.+Raoeliarijao

Address

Amboasary Gara
Amboasary-Gara

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Hotely Tsara Hafatra - HTH posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share

Category