01/12/2025
* "Dialogue Public Privé"
Notanterahina teto Toamasina ny alakamisy 27 Novambra 2025 teo ny fivoriana andiany faha sivy nataon’ireo komity mpanara-maso ny dinika fifampiresahana eo anivon’ny sehatra tsy miankina sy ny fanjakana na DPP.
Nifantoka tanteraka tamin’ny fampahafantarana ny voka-pikarohana farany sy ny tetikasa fanamboarana ny bokin-dalana mahakasika ireo dingana rehetra tokony harahina ho an’ny fomba fiasa eo anivon’ny seranan-tsambo sy ny fanaraha-maso ny fandrosoan’ny fanantanterahana ny fampiharana ireo asa natao ho laharam-pahamehana ho an’ny fanamorana ny fivezivezena ao anatin’ny seran-tsambon’i Toamasina ity fivoriana ity.
Tanjona, ny fanatsarana tanteraka ny fomba fiasa eo anivon’ny serantsambo mba hahafahana sahady mitsena ny fahavitan’ny fanitarana ny seran-tsambon’i Toamasina izay ho anisan’ny seranan-tsambo lehibe indrindra eto Afrika ka ho matihanina, ary mba ho fomba fiasa vaovao hifanaraka amin’ny fenitra iraisam-pirenena ny fomba fiasa ho hita eo anivon’ny izany seran-tsambo izany.
Ity Dinika ity moa dia hita fa nahomby ary isan’ny ho atao fototra na dika mitovy ho an’izay tetik’asa lehibe mbola maro hifandimby eto amin’ny firenena.
* “FOIRE TOAM’KETRIKA ANDIANY FAHA 06”
Fa ny andron'io Alakamisy 27 Novambra 2025 io ihany koa dia nisokatra teto Toamasina ihany koa, ny foira be “TOAM’KETRIKA”, foira izay karakarain’I LA FABRIQUE des pratiques entrepreunariales, ity farany moa dia ivon-toerana fanohanana sy fampivoarana ireo tanora mpandraharaha vao misondrotra.
Miisa 134 ny mpandray anjara, ary amin’ny maha mpiara-miasa akaiky an’i La Fabrique sy ny Fitaleavam-paritrin’ny Indostria sy ny fampiroboroboana ny sehatra tsy miankina dia anisan’ny nandray anjara amin’ny fampiratiana ny ekipa mba hahafahan’ireo kaopérativa mampiranty ny vokatr’izy ireo mba hahafahan’ireo kaopérativa misokatra ho amin’ny fiaraha-miasa amin’ny sehatra hafa.
Naharitra 03 andro moa ity foira be ity ka nifarana ny Asabotsy 29 Novambra 2025.