23/11/2025
Je confirme 😃😃😃
Ireto misy karazana investissement 3 tokony ho fantatrao tsara💰💱…
1/ Investissement ara-bola.
Izany dia ny fitondrana vola amin’ny tetikasa iray mba hahazoana tombony amin’ny ho avy.
Ny fomba mahazatra indrindra dia: Manao actionnaire amin’ny zavatra iray, na manao trano, mividy tany, arakaraka ny fonds d’investissement izay anananao.
Ity karazana fampiasam-bola ity no mampitombo ny kitapom-bolanao ary manamafy ny fahaleovan-tenanao ara-toekarena❤️☝️.
2/ Investissement Ara-pifandraisana
Ny fanitarana ny reseau an’olona fantatrao dia manamafy sy mampahery anao.
Indraindray tsy ho vitanao irery ny fikatsahana ny vintana tsara @ projet izay ataonao : izany hoe, mila olona manampahaizana ianao hanohana anao amin’ny projet izay ataonao.🧠
Tanjona eto: mamorona relation amin’olona iray isan’andro fotsiny ianao, izany hoe manana fifandraisana @ olona 365 isan-taona ianao.
Ao anatin’ireo dia hisy foana olona afaka hanampy anao handroso.
Arakaraka ny fisiana sy ny famatoran’ ny reseau an’olona manodidina anao, no mampitombo ny fahafahanao mahazo vintana tsara.
3/ Investissement Ara-tsaina
Hoy Warren Buffet izay hoe:
“Ny Investissement azo antoka indrindra dia ilay ataonao amin’ny tenanao.”
Afaka very vola ianao na very namana, fa tsy ho very mihitsy ny zavatra efa nianaranao.
Raha misalasala mandany 200 000 Ar ianao hianarana ho anao irery, nefa tsy misalasala handany izany amin’ny akanjo lafo vidy, dia mbola tsy ampy ny fahamatoranao ara-bola sy ara-tsaina.
Ary na tsy manana vola aza ianao dia mbola afaka mampiasa vola amin’ny tenanao, raha matotra:
Tia mamaky boky ianao → An’arivony ny boky azo sintonina maimaim-poana ao amin’i Google.
Tia mijery vidéo ianao → YouTube no Oniversite maimaim-poana.
Ny fampiasam-bola amin’ny tena manokana no fototra tsy hahavery anao na oviana na oviana.
⚠️ Ny ankabetsahan’ny olona no mijanona amin’ilay karazany 1/ ambony ery ihany.
Ovay izany anio dia hahita fahombiazana ianao.
🎯Zarao amin'ny hafa