07/08/2026
FIALANTSASATRA TULEAR 🥰
Ho antsika misafidy an'i TULEAR dia indreto misy zavatra vitsivitsy entina hanampiana antsika. 😚
NY LALANA SY NY FIARA 🚗
925 Km eoeo ny elanelana Antananarivo-Toliara ka ireto avy ny toerana tsy maintsy lalovana
“Ambatolampy -Antsirabe-Ambositra-Fianarantsoa-Ambalavao-Ihosy-Ranohira-Sakaraha-Andranovory ary mifarana ao Tuléar”
FITAOVAM-PITANTERANA MANDEHA MANKANY
* Misy karazany maro ny fitaovam-pitanterana fa vitsivitsy ihany no fantatro entina amintsika
(Soatrans-Cotisse-Fihavanana Transport….etc)
Misy ihany ny koa ny prestataire locale na ireo locataire miainga avy aty antananarivo izay efa zatra lalana ary afaka manome fahafam-po anareo.
* Raha hitondra fiara manokana dia ezaho ho tomombana tsara ny fiara entina fa lavitra ny lalana.
* Torohevitra aleo matory eo FIANARANTSOA 400KM dia avy eo ny ampitso manohy TULEAR
ACTIVITÉS AZO ATAO ANY TULEAR
* Ankoatra ny Bord eny TSIMIRORO dia misy toerana maro azo tsidihana any tuléar saingy toroko hevitra raha vao lavidavitra dia aleo miaraka @ prestataire locale na ireo mpanao location efa za-draharaha sy zatra piste fa tena tsy azo hamaivanina ny fasika mandrevo any.
* Maro ny toerana afaka ialana voly rehefa hariva fa mahaiza misafidy tsara. 🌆
* GROTTE DE SARODRANO no akaiky indrindra (piscine naturelle izay ahitanao ny poisson aveugle sy cœlacanthe) Alohan'io mandalo amin'ilay tandroka be misy soratra “TROPIQUE DE CAPRICORNE” iny, 24 km miala an'i Tuléar dia mitohy makany Sarodrano sy Saint Augustin 31 km izay ahitanao Flamants rose.
* Ao no plan mora kokoa raha handeha any Anakao. Misy taxi brousse makany fa tsara kokoa manana moyen de locomotion mitokana izay averiko ihany tsy vitany hoe manana SUV 4wd fa mila za-draharaha. Misy ny préstataire locale sy ny efa zatra mpandeha amzany.
* DUNES D’ANDABOY Tsy lavitra an'i Toliary no misy azy izay lalana mihazo ny RN 9 makany Ifaty, Madiorano sy Mangily. Misy taxi brousse sy bajaj ny makany. Activités mikasika ranomasina no misy any , misy parc marin , afaka manao plongée , afaka manao visite barrière corallienne sous forme picnic ,”Amin'izao moa possible mahita baleine koa any”. Azo atao ihany koa ny manao visite forêt de baobabskoa. Be hôtel be any arakaraky ny catégorie fa misy 25.000 Ar ka hatr@ 400.000 ariary par jour. Misy hôtel gasigasy manomboka 8000 ariary koa ankoatra ny Resto izay 25.000 ariary ny plats aminy.
* 5 km avy eo MANGILYno misy an'i MADIORANO. Misy hôtel vitsivitsy tsara koa fa ny plage eo ho eo ihany. (Afaka fiara tsotra hatreo satria goudron be miala eo tuléar ary tsy lavitra)
* ANKASY SY KOKOA SANDS
Raha misy fiara 4x4 dia afaka manohy mitsidika ireo côte sud ouest, miala 12 km an'i Mangily dia mivily miankandrefana. 47 km avy eo i Ankasy , misy an'i Ankasy lodge sy Kokoa sands. Lafo ny sarany fa izy tena tsara. 400.000 ariary vao miteny any. 70 km avy eo Ankasy no misy an'i Salary, misy hôtel bungalow plan gasigasy ao ankoatra ny Salary bay , mbola misy plan tsotsotra ana italiana gasy izay koa ao mba azo hihoriranana. Fa dia hoe l'une des plus belles plages du monde hono ny any e
* AMBATOMILO
30 km avy eo indray Ambatomilo. Toerana tsara be daholo fa dia mila vola matevitevina. Misy hotel vitsivitsy Mamirano lodge , Sangria la lodge , Mikea lodge sns . 47 km avy eo Andavadaoka. Ny hitovian'izy rehetra , samy ao anatin'ilay « lagon faharoa lehibe indrindra eran-tany », plage farak'izay tsara nefa vitsy olona ary mahita baleines daholo. Ahafahana manapatra amin'ny fruits de mer ihany koa.
❌TANDREMO ❌
Mila manaja ny précautions d'usages ary tsy mandeha rehefa 👉🏻 ary manaja fomban-tany sy manaja fiaraha-monina.
👉🏻HO AN'NY PLAGE MANOKANA:
* Mitovy @ plage rehetra ihany FADY MIHINANA HENAKISOA Mila misasa tsara ra te handray ranomasina.
* Araho maso foana ny zaza na aiza na aiza toerana aleha.
TONTOLO IAINANA
❌Hevero ho toy ny ao antranonao foana izay toerana halehanao ka aza tia manary fako eny rehetra eny. Eny fa na dia fako atsipy avy any anaty fiara aza. Hajao ny tontolo manodidina anao.
❌Fadio dia fadio ny mandoro tanety sy manaparitaka afo eny rehetra eny. Maro ny loza mety haterak'izany ka aoka samy hitandrina ny rehetra. ❤
🚖FIFAMOIVOIZANA ANY ANTOERANA
👉🏻Maro ny karazam-pitanterana misy any . Misy fanampiana ho antsika ireto.
* Bajaj na TucTuc: eto amin'ny ville, mitombo arakaraky ny toerana kosa raha mivoaka ny ville toy ny mankany ifaty sy Madiorano
* Misy ihany koa ny pousse-pousse fa tena mila mitandrina be indrindra @ hariva fa misy ireo mpitarika pousse sasany nefa sad olon-dratsy ihany , efa betsaka ny victime.
* Aleo mampiasa fiara 4*4matanjaka raha vao hiditra toerana be fasika
* AFAKA MIDITRA MP IHANY KOA RAHA MISAFIDY NY LOCATION HIDITRA AMIN’IREO LALANA ILAINA FIARA MATANJAKA VOALAZA ETSY AMBONY;
💡AOKA SAMY HIVONONA FA MISY FOANA NY DÉLESTAGE N’AIZA N’AIZA
🔎Izay aloha no azo nampitaina izay inoana fa hitondra fanampiana ho antsika rehetra. Mirary fialan-tsasatra lavorary ho antsika rehe🔍tra.
✔ZARAZARAO HIOMANAN'NY HAFA
Source: Andrytoyota speed
🏨 Residence Lohavony dia trano Afaka mandray anareo mandritra izany fialantsasatra izany