Association Malgache pour l'Ergothérapie

Call Contact the business
Fantatrao ve fa mety hanova tampoka ny fiainan’ny olona iray ny fahatapahan’ny lalandra ao amin’ny atidoha (AVC)?♿ Inona...
29/10/2026

Fantatrao ve fa mety hanova tampoka ny fiainan’ny olona iray ny fahatapahan’ny lalandra ao amin’ny atidoha (AVC)?

♿ Inona no anjara toeran’ny ergothérapie aorian’ny AVC?

Ny “Ergothérapie” dia manampy ny olona voan’ny AVC hamerina tsikelikely ny fahafahany manao ny asa andavanandro, araka izay tratra, toy ny:
✅ Mihinana sy misotro irery.
✅ Miakanjo sy mikarakara tena.
✅ Mampiasa ny tanana amin’ny asa ilaina.
✅ Manao asa ao an-trano sy mamerina ny andraikitra eo amin’ny fiaraha-monina.

❤️ Tsy ny fitsaboana ny vatana ihany no zava-dehibe, fa ny famerenana ny fahaleovantena sy ny kalitaon’ny fiainana ihany koa.

🤝 Ny “ergothérapeute” dia miara-miasa amin’ny marary, ny fianakaviany ary ny ekipa mpitsabo mba hanampy azy hiverina amin’ny fiainana andavanandro.

Mitranga ny AVC rehefa voasakana ny fikorianan’ny rà mankany amin’ny ampahany amin’ny atidoha, na rehefa vaky ny lalan-dra ao amin’ny atidoha ka miteraka fandehanan-dra. Rehefa tsy mahazo rà sy oksizena ampy ny sela ao amin’ny atidoha, dia mety ho simba na ho faty, ka miteraka fahasembanana maharitra na fahafatesana. Vonjy taitra ara-pahasalamana ny AVC ka mila fitsaboana haingana.

🟣 Mizara roa ny karazana AVC :
- Ny "AVC ischémique": Mitranga rehefa misy ra mivaingana na zavatra hafa manentsina ny lalan-dra mankany amin’ny atidoha, ka tsy afaka mikoriana ara-dalàna ny rà.
- Ny "AVC hémorragique": Mitranga rehefa vaky ny lalan-dra ao amin’ny atidoha ka mivoaka ny rà, ary manimba na manery ny sela manodidina.

🔴 Raha misy na dia iray monja amin’ireto famantarana manaraka ireto, dia ahiahiana ho AVC ka mila fitsaboana maika:
👉 Volivoly ny tarehy (marimaritra), ny tanana, ny tongotra ilany, malemy tampoka ny vatana ilany
👉 Tsy mahita tampoka ny maso ilany
👉 Tsy mahateny tampoka na miraiki-dela ary tsy mahazo tsara izay lazaina
👉 Tsy afaka mandeha tsara na mianjera tampoka

HAFATRA:
1. Araha-maso ny tosidrà, satria anisan’ny antony lehibe mampitombo ny mety hisian’ny AVC ny fiakaran’ny tosidrà.
2. Fantaro mialoha ireo fambara fanairana mahakasika ny AVC voalaza etsy ambony, mba hahafahana mamantatra ny loza.
3. Tongava haingana any amin’ny toeram-pitsaboana, satria mety hisy fiantraikany lehibe amin’ny fahasitranana sy ny fahafahan’ilay marary miaina ny fahatarana amin’ny fitsaboana

Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka
©️ Direction de Lutte contre les Maladies non Transmissibles

27/10/2026

🇲🇫Journée mondiale de l’ergothérapie – 27 octobre

Le thème de cette année, «La participation compte », nous rappelle que chaque personne mérite de pouvoir participer pleinement à la vie quotidienne, quels que soient ses capacités, son âge ou sa situation.

L’ergothérapie favorise l’autonomie, l’inclusion et la participation de tous dans les activités qui donnent du sens à la vie.

🇲🇬 Andro maneran-tany ho an’ny Ergothérapie – 27 Oktobra

Ny lohahevitra amin’ity taona ity dia ny hoe « Manan-danja ny fandraisana anjara », izay mampahatsiahy antsika fa zava-dehibe ny ahafahan’ny tsirairay mandray anjara feno amin’ny fiainana andavanandro, na inona na inona ny taonany, ny fahaizany na ny toe-javatra misy azy.

Ny ergothérapie dia manampy ny olona hanana fahaleovantena bebe kokoa, hampiroborobo ny fampidirana azy eo amin’ny fiaraha-monina ary handray anjara amin’ireo asa sy hetsika manan-danja eo amin’ny fiainany.

📍 Mitady ergothérapeute eto Madagasikara ve ianao?
Ireto avy ny toerana efa misy ergothérapeute, aza misalasala ihany koa mandefa hafatra miafina.
CHUAM BEFELATANANA
CHUJRA Ampefiloha
CHUSSPA Analakely
CHRD Anosy avaratra
CHU Anosiala
CHRD Itaosy
OFNALAT Itaosy
CHUMET tsaralanana
CHUGOB befelatanana
CHUJRB befelatanana
CHUSMA Anjanamasina
ONG GNTP Andranomena
Centre Akanin'ny nofy androhibe
Growing the nations therapy programs
MHM Ambovo

CHRD Moramanga
CHU Analakininina Toamasina
CHRR Ambositra
CHU Tambohobe Fianarantsoa
CRMM Antsirabe
CHRR tsiroanomandidy
CHRR Itasy-miarinarivo
CHU PZAGA Adrova mahajanga
CHU Tanambao toliara

08/10/2026

The World Occupational Therapy Day 2026 theme “Participation Matters” highlights the role of everyday activities, roles and routines in supporting health, wellbeing and quality of life. Occupational therapy advances participation by addressing physical, cognitive, emotional, environmental and social factors that influence engagement in occupations that people want, need, or are expected to do. Promotional materials, including the logo and media pack are now available on the WFOT website: https://wfot.org/resources/world-occupational-therapy-day-2026-media-pack

🇫🇷 Bonne fête à toutes les mamans ! 🌷Aujourd’hui, nous rendons un hommage tout particulier aux mères d’enfants ayant des...
31/05/2026

🇫🇷 Bonne fête à toutes les mamans ! 🌷
Aujourd’hui, nous rendons un hommage tout particulier aux mères d’enfants ayant des besoins spécifiques. Nous saluons le courage, la force, la patience et l’amour inconditionnel dont vous faites preuve chaque jour. Vous êtes des mamans fortes et extraordinaires ! 💝

🇲🇬Tratry ny fetin’ny Reny ho an’ny reny rehetra ! 🌷
Anio dia manolotra haja manokana ho an’ireo reny manan-janaka manana filàna manokana. Mankasitraka sy manome voninahitra ny herim-ponareo, ny tanjaky ny fonareo, ny faharetanareo ary ny fitiavana tsy misy fetra asehonareo isan’andro izahay. Reny mahafinaritra sy miavaka ianareo 💝

Retour en images – Dépistage de l’autisme 🧩Agir tôt, c’est changer des vies.À travers ces images, des moments clés de dé...
09/04/2026

Retour en images – Dépistage de l’autisme 🧩

Agir tôt, c’est changer des vies.
À travers ces images, des moments clés de dépistage, d’écoute et d’orientation pour mieux accompagner chaque enfant.

Chaque geste compte pour un avenir plus inclusif 💙

Nous tenons à remercier nos partenaires Autism Africa Network , Growing the Nations Therapy Programmes Madagascar
Et Fiangonana Tana City Faralaza pour leur accueil chaleureux 🥰

➡️Afaka mandefa hafatra miafina na miantso 0321245622 na 0341153393 ihany koa. ➡️Rohy fisoratana anarana : https://url-s...
25/03/2026

➡️Afaka mandefa hafatra miafina na miantso 0321245622 na 0341153393 ihany koa.
➡️Rohy fisoratana anarana : https://url-shortener.me/IF8M

Ho fankalazana ny Andro Maneran-tany ho fanentanana momba ny autisme, dia mikarakara andro iray hanaovana fitsirihana mialoha ny autisme ho an’ny ankizy izahay. ✅
💡 Tanjona : mamantatra mialoha mba hanampiana tsara kokoa ny zanakao.
📅 Daty : 2 Aprily 2026
📍 Toerana : TCC Faralaza Talatamaty
⏰ Ora : amin’ny 9 ora maraina hatramin’ny 3 ora tolakandro

Fiaraha-miasa eo amin’ny Spark a Spectrum of Possibilities - Africa , Association Malgache pour l'Ergothérapie & Growing The Nations Therapy Programmes
💙 Andao hiara-hiasa hanampy ny ankizy rehetra hivoatra tsara.

~~

➡️Lien d’inscription : https://url-shortener.me/IF8M
➡️Vous pouvez également envoyer un message privé ou appeler le 0321245622 ou 0341153393

À l’occasion de la journée mondiale de la sensibilisation de l’autisme.
Nous organisons une journée de dépistage de l’autisme pour les enfants. ✅
💡 L’objectif : détecter tôt pour mieux accompagner votre enfant.
📅 Date : 2 Avril 2026
📍 Lieu : TCC Faralaza Talatamaty
⏰ Heure : 9h à 15-Heures

Collaboration entre Spark a Spectrum full of Possibilities & Association Malgache pour l’Ergothérapie & Growing The Nations Therapy Programmes.
💙 Ensemble, aidons chaque enfant à s’épanouir

✨ 𝐁𝐨𝐧𝐧𝐞 𝐚𝐧𝐧𝐞́𝐞 2026 ! ✨𝐋’𝐀𝐌𝐄𝐓 – 𝐀𝐬𝐬𝐨𝐜𝐢𝐚𝐭𝐢𝐨𝐧 𝐌𝐚𝐥𝐠𝐚𝐜𝐡𝐞 𝐩𝐨𝐮𝐫 𝐥’𝐄𝐫𝐠𝐨𝐭𝐡𝐞́𝐫𝐚𝐩𝐢𝐞 𝐬𝐨𝐮𝐡𝐚𝐢𝐭𝐞 𝐚̀ 𝐭𝐨𝐮𝐬 𝐬𝐞𝐬 𝐦𝐞𝐦𝐛𝐫𝐞𝐬 𝐞𝐭 𝐚̀ 𝐭𝐨𝐮𝐭𝐞 𝐥𝐚 𝐜𝐨...
02/01/2026

✨ 𝐁𝐨𝐧𝐧𝐞 𝐚𝐧𝐧𝐞́𝐞 2026 ! ✨
𝐋’𝐀𝐌𝐄𝐓 – 𝐀𝐬𝐬𝐨𝐜𝐢𝐚𝐭𝐢𝐨𝐧 𝐌𝐚𝐥𝐠𝐚𝐜𝐡𝐞 𝐩𝐨𝐮𝐫 𝐥’𝐄𝐫𝐠𝐨𝐭𝐡𝐞́𝐫𝐚𝐩𝐢𝐞 𝐬𝐨𝐮𝐡𝐚𝐢𝐭𝐞 𝐚̀ 𝐭𝐨𝐮𝐬 𝐬𝐞𝐬 𝐦𝐞𝐦𝐛𝐫𝐞𝐬 𝐞𝐭 𝐚̀ 𝐭𝐨𝐮𝐭𝐞 𝐥𝐚 𝐜𝐨𝐦𝐦𝐮𝐧𝐚𝐮𝐭𝐞́ 𝐮𝐧𝐞 𝐚𝐧𝐧𝐞́𝐞 𝐫𝐞𝐦𝐩𝐥𝐢𝐞 𝐝𝐞 𝐬𝐚𝐧𝐭𝐞́, 𝐝𝐞 𝐫𝐞́𝐮𝐬𝐬𝐢𝐭𝐞 𝐞𝐭 𝐝’𝐞𝐬𝐩𝐨𝐢𝐫.
𝐂𝐞𝐭𝐭𝐞 𝐧𝐨𝐮𝐯𝐞𝐥𝐥𝐞 𝐚𝐧𝐧𝐞́𝐞 𝐬’𝐚𝐧𝐧𝐨𝐧𝐜𝐞 𝐚𝐯𝐞𝐜 𝐛𝐞𝐚𝐮𝐜𝐨𝐮𝐩 𝐝𝐞 𝐦𝐨𝐭𝐢𝐯𝐚𝐭𝐢𝐨𝐧 𝐞𝐭 𝐝𝐞 𝐩𝐫𝐨𝐣𝐞𝐭𝐬 𝐩𝐨𝐮𝐫 𝐩𝐫𝐨𝐦𝐨𝐮𝐯𝐨𝐢𝐫 𝐥’𝐞𝐫𝐠𝐨𝐭𝐡𝐞́𝐫𝐚𝐩𝐢𝐞 𝐞𝐭 𝐫𝐞𝐧𝐟𝐨𝐫𝐜𝐞𝐫 𝐧𝐨𝐭𝐫𝐞 𝐞𝐧𝐠𝐚𝐠𝐞𝐦𝐞𝐧𝐭 𝐚𝐮 𝐬𝐞𝐫𝐯𝐢𝐜𝐞 𝐝𝐞 𝐭𝐨𝐮𝐬.
🌱 2026 𝐬𝐞𝐫𝐚 𝐮𝐧𝐞 𝐚𝐧𝐧𝐞́𝐞 𝐝’𝐚𝐜𝐭𝐢𝐨𝐧𝐬, 𝐝’𝐞𝐬𝐩𝐨𝐢𝐫 𝐞𝐭 𝐝’𝐢𝐦𝐩𝐚𝐜𝐭 𝐩𝐨𝐬𝐢𝐭𝐢𝐟.
𝐁𝐨𝐧𝐧𝐞 𝐞𝐭 𝐡𝐞𝐮𝐫𝐞𝐮𝐬𝐞 𝐚𝐧𝐧𝐞́𝐞 𝐚̀ 𝐭𝐨𝐮𝐬 !
— 𝐀𝐌𝐄𝐓
𝐀𝐬𝐬𝐨𝐜𝐢𝐚𝐭𝐢𝐨𝐧 𝐌𝐚𝐥𝐠𝐚𝐜𝐡𝐞 𝐩𝐨𝐮𝐫 𝐥’𝐄𝐫𝐠𝐨𝐭𝐡𝐞́𝐫𝐚𝐩𝐢𝐞

Le lundi 22 décembre 2025, nous avons célébré la sortie de la 8ᵉ promotion d’ergothérapeutes à Madagascar.Nous réitérons...
23/12/2025

Le lundi 22 décembre 2025, nous avons célébré la sortie de la 8ᵉ promotion d’ergothérapeutes à Madagascar.

Nous réitérons toutes nos félicitations à la promotion MAMIRATRA.
🌟 Mikolo Aina sy MItsabo no Rindran’Asa Tontosaiko ary RAisiko ho adidy 🌟

Comme votre nom l’indique, nous vous souhaitons de briller dans cette nouvelle étape de votre vie professionnelle et de continuer à faire preuve de zèle, de persévérance et de bienveillance dans cette profession que vous avez choisie.

Cette journée marque une étape majeure pour la profession, puisque nous franchissons officiellement le cap des 100 ergothérapeutes à Madagascar. 🎉

Nous tenons également à adresser nos sincères remerciements à tous nos collaborateurs et partenaires, notamment :
• Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka
• IFIRP Antananarivo Ofisialy
• Faculté de Médecine d'Antananarivo Official
• CBM Global Disability Inclusion - Madagascar
• Humanité & Inclusion - Programme Madagascar
• Growing The Nations Therapy Programmes
• Les professeurs
• Les encadreurs de stage
• et l’ensemble de nos partenaires engagés.

Votre présence et votre soutien ont grandement contribué à rendre cela possible.

🇲🇬Androany, ankalazaintsika ireo olona manana fahafahana samihafa.Samy manana ny talentany, ny heriny, ary ny fomba toka...
03/12/2025

🇲🇬Androany, ankalazaintsika ireo olona manana fahafahana samihafa.
Samy manana ny talentany, ny heriny, ary ny fomba tokana handrosoany ny tsirairay.
Ireo olona manana fahasembanana dia mampahatsiahy antsika isan’andro fa tsy manakana ny fahaiza-manao, ny famoronana, na ny hasin’ny olona ny maha samy hafa. 🌸

Amin’ity Andro Iraisam-pirenena ho an’ny Olona manana Fahasembanana ity, dia manamafy ny fanoloran-tenany amin’ny fampidirana, ny fahaleovan-tena, ary ny hasin’ny tsirairay ny AMET (Association Malgache de l’Ergothérapie).

🇨🇵Aujourd’hui, nous mettons à l’honneur ces personnes.
Chacun possède des talents, des forces et une manière unique d’avancer.
Les personnes en situation de handicap nous rappellent chaque jour que la différence n’empêche ni la capacité, ni la créativité, ni la valeur humaine. 🌸

En cette Journée mondiale des personnes handicapées, l’AMET (Association Malgache de l’Ergothérapie) réaffirme son engagement pour l’inclusion, l’autonomie et la dignité de chaque personne.

🇺🇲Today, let’s celebrate them.
Everyone has their own talents, strengths, and unique ways of moving forward.
People with disabilities remind us every day that differences do not limit ability, creativity, or human value. 🌸

On this International Day of Persons with Disabilities, AMET (Malagasy Association of Occupational Therapy) reaffirms its commitment to inclusion, autonomy, and the dignity of every person.

Let’s remember that they are DIFFERENTLY ABLE.

Address

Site Ergo Befelatanana Antananarivo
Antananarivo

Telephone

+261342401710

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Association Malgache pour l'Ergothérapie posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Business

Send a message to Association Malgache pour l'Ergothérapie:

Shortcuts

Share